FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/12 p. 32
  • Resy ny Fisalasalany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Resy ny Fisalasalany
  • Mifohaza!—1997
Mifohaza!—1997
g97 8/12 p. 32

Resy ny Fisalasalany

Rehefa nihaona tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny tovolahy iray any amin’ny nosy Jamaika any Caraïbes, dia tena be fisalasalana ny amin’ny fisian’Andriamanitra ary nanda ny maha-ara-tsindrimandry ny Baiboly. Kanefa, nandray tsy satry ilay boky hoe Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, izy. Niverenana notsidihina izy, kanefa tamin’ny farany, dia nilaza tamin’ireo Vavolombelona mba tsy hiverina intsony, mandra-panasany azy ireo.

“Volana maromaro tatỳ aoriana”, hoy ny tatitra nataon’ireo Vavolombelona, “dia niantso an-telefaonina izy ary nametraka fanontaniana maro. Mbola nanakiana ireo valin-tenin’ny Baiboly ihany anefa izy.”

Rehefa nandeha ny fotoana, dia nametrahana ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay ilay tovolahy, ary natomboka ny fampianarana Baiboly azy tsy tapaka. Fotoana fohy taorian’izay, dia hoy ny fanamarihany: “Hitako izao ny antony tena ilana ny fianarana tahaka izao.” Nafana fo aoka izany tamin’izay nianarany izy, hany ka nangataka ny hianatra indroa isan-kerinandro. Tsy ela izy dia nanomboka nanatrika fivoriana kristiana tsy tapaka.

Nohatanjahina ny finoan’ny olona an-tapitrisany maro tamin’ny famakiana Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?, sy tamin’ny fianarana ilay boky hoe Fahalalana Izay Mitarika ho Amin’ny Fiainana Mandrakizay. Raha tianao ny hahazo iray amin’ireo boky ireo na ny hisian’ny olona hitarika fampianarana Baiboly any an-tokantranonao, dia manorata any amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, 101 Antananarivo, raha sitrakao, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy voalaza eo amin’ny pejy faha-5.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]

Fonon’ilay boky hoe Ny Baiboly — Tenin’Andriamanitra sa Tenin’olona?: Papyrus sy horonana hebreo misy ny Estera tamin’ny taonjato faha-3: The Trustees of the Chester Beatty Library, Dublin; sarivongan’i Aleksandra Lehibe: Musei Capitolini, Roma

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara