“Itondray Efapolo Aho Hozaraiko”
Imbetsaka i Wolfgang sy i Waltraut vadiny no nanolotra ny gazety Mifohaza! tamin’ny lehilahy iray, satria moa anisan’ny asa fampianarana Baiboly ataon’izy ireo any atsimon’i Alemaina izany. Tsy nety nandray foana ilay rangahy, tamin’ny filazana hoe: “Efa manan-javatra be dia be tokoa hovakina aho.”
Kanefa, tsapan’izy mivady fa mety hamaky ilay lahatsoratra hoe “Fanilihana Ireo Hevi-diso Momba ny Vavolombelon’i Jehovah”, ao amin’ny Mifohaza! 8 Desambra 1996, ilay rangahy. Ilay lahatsoratra dia momba ny lahateny iray natao tao amin’ny Rotary Club any Kalifornia any Etazonia.
Rehefa nanokatra ilay gazety teo amin’io lahatsoratra io i Wolfgang ka nampiseho azy io tamin’ilay rangahy, dia nanomboka namaky azy io ilay rangahy. Avy eo izy dia nanontany raha azony natao ny hihazona ilay izy ho azy. “Hovakiko anio alina izy itỳ, rehefa iny milamindamina sy tsy misy manabataba iny aho”, hoy izy.
Nihaona taminy i Wolfgang mivady, telo andro tatỳ aoriana. Nanao ahoana ny fihetsik’ilay rangahy? “Tena nahaliana ilay lahatsoratra”, hoy izy.
Nahoana izy no niaiky volana toy izany? Toa nanana hevi-diso sasany momba ny Vavolombelon’i Jehovah koa izy. Izao izy dia nahazo antoka fa hankafy ny famakiana ilay lahatsoratra ireo namany ao amin’ny Rotary Club. “Afaka mahazo maro kokoa amin’ilay lahatsoratra ve ianao?”, hoy izy nanontany.
“Firy no ilainao?”, hoy i Waltraut nanontany.
“Itondray efapolo aho hozaraiko.”
Raha tianao ny hahazo iray amin’ny Mifohaza!, na raha tianao ny hahazo fampianarana Baiboly maimaim-poana ao an-tokantrano, dia manorata any amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, 101 Antananarivo, raha sitrakao, na any amin’ny adiresy akaiky indrindra ny misy anao voalaza eo amin’ny pejy faha-5.