Avy Amin’ny Mpamaky
Lolo Teo am-pitoriana irery tao amin’ny faritra iray nisy toeram-pambolena aho raha nanapa-kevitra ny hanasongadina ilay lahatsoratra hoe “Mpandeha Lavitra Marefo Nefa Matanjaka”. (8 Oktobra 1996). Nihaona tamin’ny mpamboly iray aho. Izy io dia lehilahy vaventy be — tsy ny karazan’olona hiresahako momba ny lolo, raha ny ara-dalàna! Kanefa, taorian’ny nahitany ireo sary marevaka, dia noraisiny ireo gazety ary nilaza izy fa azo atao ny mahita karazan-dolo tsy fahita firy maro, ao amin’ny toeram-pamboleny. Rehefa nanainga aho, dia variana namaky ilay gazety ny vadiny. Koa, tahaka ilay lolo, dia hiverina aho — ary hampiseho amin’izy ireo zavatra misimisy kokoa momba ny Fanjakan’Andriamanitra!
B. B., Angletera
Avela Hisy ny Faharatsiana Misaotra anareo noho ilay lahatsoratra hoe “Manontany ny Tanora Hoe... Nahoana Andriamanitra no Mamela Ireo Zava-dratsy Hitranga?” (8 Novambra 1996). Taorian’ny niaretako fahatsapana ho manirery sy fampietrena ary alahelo mafy dia mafy nandritra ny 18 taona nanambadiako lehilahy tsy nahatoky tamiko sady tsy manaja vehivavy, dia toy ny menaka fanasitranana ny famakiana ny hoe Andriamanitra be fitiavana izay miahy antsika i Jehovah. Toy ny hoe ny tenan’i Jehovah mihitsy no nampionona ahy.
H. T., Etazonia
Sigara Mba te hilaza ny hevitro aho momba ilay lahatsoratra hoe “Sigara — Lavinao ve Izy Io?” (8 Novambra 1996). Malahelo erỳ aho fa tsy nahazo azy io taona maromaro tany aloha! Matin’ny kanseran’ny havokavoka tamin’itỳ taona itỳ ny vadiko. Mpifoka be nandritra ny 50 taona izy. Tsy mba nahafantatra akory ny tenako fa nanana vokany nandoza toy izany ny sigara.
H. G., Alemaina