FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/7 p. 30
  • Avy Amin’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avy Amin’ny Mpamaky
  • Mifohaza!—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Anemia: Inona no Mahatonga Azy Io? Ahoana no Ahalalana An’ilay Izy? Ahoana no Itsaboana Azy?
    Foto-kevitra Hafa
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1996
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1996
  • Avy Amin’ny Mpamaky
    Mifohaza!—1997
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/7 p. 30

Avy Amin’ny Mpamaky

Fotoana Mahafinaritra Misaotra noho ilay lahatsoratra. Dimy ambin’ny folo taona aho ary misy tanora maro ao amin’ny kongregasionanay. Miara-manao zavatra matetika izahay. Ohatra, azonay atao ny mandeha mitory ny maraina, ary avy eo dia mandeha milomano ny tolakandro. Tena mahafinaritra izany! Misy hafa avy ao amin’ny kongregasionanay miaraka aminay indraindray. Ary mampahery an’ireo ray aman-dreninay ny mahalala fa manana ny karazam-pifaneraserana tsara izahay.

I. W., Alemaina

Fitiavana Izay Manery Maniry hisaotra anareo aho, ry anadahy malala, noho ny namoahanareo ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiheveran’ny Baiboly: Ilay Fitiavana Izay Manery”. (8 Oktobra 1996). Niatrika fitsapana maro ny finoako aho nandritra ireo taona, anisan’izany ny nahafatesan’ny ray aman-dreniko tampoka. Fa ny fitsapana mafy indrindra dia avy tamin’ny olona iray tao anatin’ny kongregasiona. Nanome ahy hery sy fampiononana io lahatsoratra io, satria hitako fa mahalala sy mahatakatra ny anton’ny ranomasoko, ny ratra sy ny fanaintainana tsapako tao am-poko, i Jehovah. Nianarako fa na dia ny apostoly Paoly aza dia nahatsapa ratram-po nitovy tamin’izany. Matoky aho fa hanasitrana ny feriko i Jehovah, rehefa mandeha ny fotoana.

S. B., Kanada

Amin’izao fandehan-javatra ratsy izao, dia mora ny manary ny fifantohan’ny tena amin’ny zavatra ara-panahy. Tena nampahery sy nanosika ahy hanao zavatra ilay lahatsoratra. Tatỳ aoriana, dia tratran’ny fihenjanana be aho noho ny fanahiana teo amin’ny fiainana andavanandro. Nanampy ahy io lahatsoratra io hankasitraka ny maha-zava-dehibe ny fianteherana amin’ny fitiavan’i Jesosy, fa tsy amin’ny fihetseham-pontsika tsy lavorary.

A. M., Etazonia

Voan’ny fahaketrahana vokatry ny tsy fifandanjan-javatra simika tao anatiko aho. Nanampy ahy hanao fandrosoana teo amin’ny fiatrehana ny fahaketrahana nahazo ahy ilay lahatsoratra.

B. U., Etazonia

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara