Fahendrena ny Fifadiana sy ny Fananana Vady Tokana
HATRAMIN’IZAO, dia efa ho 30 tapitrisa ny olona azon’ny virosin’ny SIDA ary maherin’ny 6 tapitrisa no maty. Olona 8 500 eo ho eo no fantatra isan’andro fa vao azon’ny SIDA — ka ny 1 400 amin’ireo dia ankizy, izay mazàna no maty ao anatin’ny taona voalohany iainany. Nanaitra ny sain’ny besinimaro ny ezaka manokana natao hampahafantarana ny amin’izay lazaina fa firaisana azo antoka, saingy mihevitra ny sasany fa tsy ampy izany. “Aretina mahafaty ny SIDA”, hoy ny nosoratan’ny Dr. Steven J. Sainsbury, tao amin’ny The Tampa Tribune, “ka tsy maintsy mandaitra 100 isan-jato izay rehetra mety ho fepetra raisina mba hisorohana ny fifindran’izy io.”
Raha ny amin’ny fampiasana kapôty ho fitaovana hisorohana ny SIDA, dia hoy ny tenin’ny Dr. Sainsbury: “Jereo amin’izao fomba izao ilay izy: Hevero hoe, noho ny antony tsy fantatra, dia manomboka mipoaka tampoka ny fiara isaky velomina ny maotera. Rotidrotiky ny fipoahana ireo mpandeha fiara, manerana ilay tany. Farany, dia manolotra vahaolana ny fitondram-panjakana. Asio an’itỳ zavatra fanampiny itỳ fotsiny ao amin’ilay solika, hoy izy, dia hihena 90 isan-jato ny mety hisian’ny fipoahana. Heverinao ve fa ho voavaha ilay olana? Mbola hitondra ihany ny fiaranao ve ianao? Misalasala ny amin’izany aho. Koa nahoana àry isika no manaiky ny kapôty ho vahaolana amin’ny SIDA?”
Noho ny fieken’ny Dr. Sainsbury fa matetika tokoa no ateraky ny firaisana ny SIDA, dia manolotra vahaolana iray izy: “Tsy manao firaisana mandra-pivonon’ny tena hanaiky hanambady olon-tokana mbola tsy voa[n’ny SIDA]. Ny teny fototra dia hoe fifadiana sy fananana vady tokana.”
Didian’ny Baiboly hifady firaisana ny mpitovo, ary hanambady tokana ny olona manambady. Ireo fitsipika mendri-kaja ao amin’ny Baiboly dia mandrara ny fijangajangana, ny fanitsakitsaham-bady, sy ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy. (Matio 19:4-6; 1 Korintiana 6:9, 10, NW; 7:8, 9). Na dia manakiana izany fitsipika izany aza ny maro, ka milaza fa lany andro na nilaozan’ny toetr’andro izy io, ny fitsipi-pitondran-tena ao amin’ny Baiboly dia nanatsara ny fahasalamana sy ny fiadanan-tsaina. — Isaia 48:17.