Avy Amin’ny Mpamaky
Mpanakanto Miavaka Indrindra Misaotra anareo noho ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “À la recherche du plus grand des artistes”. (8 Novambra 1995, frantsay). Amin’ny maha-mpanakanto ahy koa, dia nankasitrahako indrindra ireo lahatsoratra ireo. Ny zavatra noforonin’Andriamanitra misy karazany maro, ny hain-teny poetika ao amin’ny Salamo, sy ny andalan-teny hafa voalaza amin’ny fomba kanto ao amin’ny Baiboly dia mampiseho avokoa fa tsy vitan’ny hoe namorona ny zavakanto i Jehovah, fa mankafy azy io koa!
B. R., Etazonia
Noho izaho ao anatin’ny zavakanto efa hatramin’ny 30 taona mahery, dia tiako ny hidera an’izay rehetra nandray anjara tamin’ny fanomanana io lahatsoratra mahatalanjona io! Pejy sivy manaraka lojika sy fanjohian-kevitra faran’izay tsara mikasika an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika lehibe, sy ny fahaizany mamorona amin-kery, izy io.
P. M., Etazonia
Mormons Namaky tamim-panantenan-javatra ilay lahatsoratra hoe “L’Église mormone — Restauration de toutes choses?”, aho. (8 Novambra 1995, frantsay). Notezaina tao amin’ny tokantrano mormon aho ary natao batisa sy voatendry hanao ny asan’ny pretra tamin’ny naha-Mormon, talohan’ny nahatongavako ho Vavolombelon’i Jehovah. Nisarika ny saiko anefa ny filazana iray. Lazainareo fa “tafiditra tamin’ny fahotan’ny mpivady voalohany ny firaisan’ny lahy sy ny vavy sy ny fiterahana, araka ny filazan[’ny Mormons]”. Araka ny tsaroako, dia nampianarina izahay fa nanota i Adama sy i Eva tamin’ny nihinanana voankazo ara-bakiteny.
D. A., Etazonia
Miala tsiny izahay raha niteraka fisafotofotoana io filazana io. Tsy te hilaza izahay hoe ny Mormons dia mino fa ny firaisan’ny lahy sy ny vavy no ilay fahotana mihitsy, na dia mety hihevitra toy izany aza ny olona iray, avy amin’ny fitantaran’ilay hoe “Livre de Mormon”. (2 Néphi 2:22, 23, 25). Nambaranay kosa fa “tafiditra tamin’ny” fahotana ny firaisana. Tamin’ny fomba ahoana? Tamin’ny hoe, araka ny teolojian’ny Mormons, ny fahotana dia nanomana ny lalana ho amin’ny fiterahan’ny olombelona. Araka ilay boky hoe “Mormon Doctrine”, nataon’i Bruce R. McConkie, i Adama, talohan’ny nanotany, dia “tsy afaka nanan-janaka. (...) Araka ny fikasana voalahatra mialoha, i Adama dia tokony ho lavo. (...) Noho izy mety maty, dia afaka nanan-janaka izy izao”. Mifanohitra amin’izany, ny Baiboly dia tsy mampianatra hoe tsy maintsy nanota i Adama mba hiterahany. (Genesisy 1:28). Tsy milaza koa izy io hoe noho ny fikasan’Andriamanitra voalahatra mialoha no nahalavoan’izy ireo. Milaza kosa izy io fa noho ny fanirian’izy ireo manokana hahazo fahaleovan-tena izany. (Mpitoriteny 7:29). Koa na dia manaja ny zon’ny Mormons hino izay tiany aza izahay, dia asehon’io raharaha io mazava fa tsy mifanaraka tsotra izao amin’ny Baiboly ireo fampianaran’ny “Livre de Mormon”. — MPAMPANONTA.
Noho izaho tsy tena nahafantatra mihitsy izay horesahina tamin’ny Mormons, dia afaka milaza aho fa nahazo fanazavana marina tokoa momba azy ireo ankehitriny, noho ireo lahatsoratra ireo. Ahoana àry no ahafahan’ny Mormons milaza hoe mino izy fa samy avy amin’Andriamanitra ny Baiboly sy ny Livre de Mormon, nefa tsy hitany fa mifanohitra izy ireo?
J. M., Etazonia
Sary Vetaveta ao Amin’ny Ordinatera Tiako ny hisaotra anareo noho ilay lahatsoratra tao amin’ny “Fijerena An’izao Tontolo Izao” hoe “La pornographie informatique à portée des enfants”. (8 Novambra 1995, frantsay). Novakiko izy io, ary taitra mafy aho! Tena asehon’izy io tokoa ny maha-mampidi-doza an’ireny programa ireny sy ny maha-mora ampiasain’ny ankizy azy ireny. Hanampy ny Kristiana hanombana ireo lafiny tsara sy ireo lafiny ratsy mifandray amin’izany teknolojia amin’ny ordinatera izany io lahatsoratra io.
D. P., Etazonia
Aretina Entin’ny Sakafo Nankafiziko ilay lahatsoratra nosoratanareo hoe “Protégez-vous des maladies d’origine alimentaire”. (22 Novambra 1995, frantsay). Mpahandro sakafo no asako, ary ho tiako ny hanampy fanazavana. Raha mankafy ny fihinanana hena mantamanta ny olona iray, dia mety ho tsy azo atao izany raha misy ny fiahiana ny amin’ny hanalavirana ny aretina entin’ny sakafo. Marina fa manamaina ny hena ka mety hahatonga azy ho saro-devonina kokoa ny fandrahoana azy amin’ny maripana ambony kokoa. Fomba tsara iray handrahoana tanteraka ny hena sady hitanana ny ranondranony, ny fandrahoana azy hangotraka moramora na ny fandrahoana azy moramora amin’ny menaka sy ny rano kely.
J. P. K., Etazonia
Misaotra noho ilay hevitra ny amin’ny fomba fahandro. — MPAMPANONTA.