“Nahatalanjona Aoka Izany Izy Ireo!”
“Nankafy foana ny famakiana Ny Tilikambo Fiambenana sy ny Mifohaza! aho, kanefa tato anatin’ireo taona faramparany dia nahatalanjona aoka izany izy ireo, hany ka sarotra ny mahita ny mpamari-toetra hilazalazana azy ireo. Tiako ny haneho ny fankasitrahako noho ny fanazavana naseho tao amin’ny Mifohaza! [frantsay] tamin’ny 22 Oktobra sy 8 Novambra 1994, mitondra ny lohateny hoe “L’immixtion de la religion dans les guerres” sy “Sarajevo — de 1914 à 1994”. Tarehin-javatra saro-bahana sy mampahonena ny ady an-tranon’i Bosnia sy i Serbia ary i Kroasia, kanefa tarehin-javatra iray tena manohina ny foko noho izaho Kroaty. Nankasitrahako indrindra ny fomba namakafakanareo ny tantaran’ilay ady sy ny niandohany tamin’ny taona 1054. Izany dia nanasongadina ny anjara asan’ny fivavahana sy ireo fiezahany tsy an-kiato izay nitarika ho amin’ny fisaratsarahana sy ny fankahalana bebe kokoa teo amin’ireo antokom-pirenena ireo. Mampalahelo fa tsy afaka mahita afa-tsy ny ratsy indrindra ao amin’ireo olona tsara toetra ireo, izao tontolo izao ankehitriny. Misaotra indray noho ny fanaovana tarehin-javatra iray saro-takarina ho azo takarina. [Sonia] M. K.”
Nahazo laza ho manao fikarohana amim-pitandremana sy manao tatitra ny zava-misy ny Mifohaza! Izy io koa anefa dia gazety manome fanantenana ny amin’ny hoavy feno fiadanana iray, miorina amin’ny fampanantenan’Andriamanitra hitondra ny tany ho eo ambanin’ny fanapahan’ilay Fanjakany.
Raha tianao ny hamaky tsy tapaka itỳ gazety itỳ, dia mifandraisa amin’ny Vavolombelon’i Jehovah ao amin’ny faritra misy anao, aza fady, na manorata amin’ny iray amin’ireo adiresy eo amin’ny pejy faha-5 amin’itỳ nomerao itỳ.
[Sary nahazoan-dalana, pejy 32]
Havanana: Culver Pictures