Ankafizo ny Jogging — Kanefa Mitandrema Amin’ireo Loza Mety Hoentiny!
ILAY tovolahy 18 taona dia nila “halaviran-dalana nihalavitra kokoa hatrany mba hanomezana fahafaham-po ny faniriany mafy hihazakazaka”, hoy ny tatitra nataon’ny gazety alemanina Süddeutsche Zeitung. Tamin’ny roa maraina, ary tamin’ny enina maraina indray, dia nihazakazaka teo amin’ny “24 kilaometatra izy talohan’ny niverenany teo am-pandriana, afa-bizana sady afa-po”. Tsy fisehoan-javatra maningana velively izany, satria ireo mpahay siansa manao fikarohana any amin’ny tany maro samihafa ankehitriny dia eo am-pandinihana ireo mpanao jogging izay andevozin’ny endorphine. Ahoana no ahafahan’ny fahazarana manandevo toy izany miseho?
Hitan’ireo mpanao fikarohana fa amin’ny fikelezana aina ara-batana mitohy sy maharitra, dia miforona ao amin’ny fitatitry ny siraka ny endorphine. Ny endorphine dia zavatra mampitony avy ao anaty izay miteraka fahatsapana faharavoana — manome ho an’ireo mpanao jogging mirehidrehitra fatratra fahatsapana faharavoana amim-pahataitairana indraindray. Hoy i Wildor Hollmann, prezidàn’ny fikambanana iraisam-pirenena iray mandinika momba ny fitsaboana eo amin’ny spaoro: “Ny hoe afaka mitarika ho amin’ny fahazarana manandevo sa tsia ireny zavatra iray tarika amin’ny morphine ireny, dia foto-dresaka niadian-kevitra naharitra ela. Ankehitriny dia zava-misy voaporofo izany.” Noho izany, dia toa misy loza tsy misaraka amin’ny fihazakazahana na ny fanaovana jogging amin’ny fomba tafahoatra ary, mazava ho azy, amin’ny fanaovana izay mety ho endrika fikelezana aina hafa faran’izay mafy.
Mety hisy loza ara-pahasalamana hafa ve mifandray amin’ny fanaovana spaoro ahavitan-javatra lehibe? Eny. Mety ho tadidinao ny tantaran’ilay mpitondra hafatra grika izay nihazakazaka avy tany Marathon nankany Atena, tokony ho 2 500 taona lasa izay. Araka ny angano, dia nianjera izy ka maty avy hatrany taorian’ny nitondrany vaovao tao Atena momba ny fandresen’ny Grika ny Persiana. Hitan’ireo mpanao fikarohana eo amin’io tantara io ny ohatra iray ny amin’ny fisian’ny endorphine ao amin’ny siraka. Milaza izy ireo fa ny fe-potoana lava be anaovana zavatra mitaky ezaka mafy dia afaka mitarika ho amin’ny fahafatesana noho ny fijanonan’ny fo tampoka, satria mampihena ny fahatsapana fanaintainana ny endorphine. Ohatra, ao anatin’ny toe-javatra ara-dalàna, ny fanaintainana mafy eo amin’ny tratra dia mahatonga ny mpihazakazaka iray hijanona tsy hihazakazaka, izay, araka ny lazain’ireo manam-pahaizana, dia mamela ny fo hamerina indray ny fitepony mahazatra, amin’ny ankamaroan’ny tarehin-javatra. Kanefa, mandritra ny fanaovana ezaka ara-batana faran’izay mafy, ny endorphine dia mampihena ny fahatsapana fanaintainana, ka mahatonga ireo famantarana ampitain’ny vatana ho tsy tsapan’ilay mpihazakazaka. Afaka mitondra vokany mampidi-doza izany.
Etsy an-danin’izany, ny fampiasan-tena ara-batana voalanjalanja dia mahasoa, ary toa mitondra vokany manorina ny endorphine mivoaka amin’io fotoana io. Manazava toy izao ny vehivavy iray izay manao jogging tsy tapaka: “Zatra nihinana fanafody aho teo aloha, kanefa ankehitriny, rehefa sorisorena aho, dia mandeha mihazakazaka.” Mety hanampy tokoa ny olona iray handroaka, na fara faharatsiny, hizaka ny fahaketrahana, ny fanaovana dia maika na ny hazakazaka. Toa mandray anjara amin’izany ny endorphine. Tsy manjary mampidi-doza ny fampiasan-tena ara-batana raha tsy rehefa atao tafahoatra. — Ampitahao amin’ny 1 Timoty 4:8.