“Ny Fandravana ny Lasa”
“Fantatsika fa izao zavatra ary rehetra izao dia miara-misento sy miara-marary (...) mandraka ankehitriny”. Marina ireo teny ireo, fony nosoratana efa ho 2 000 taona lasa izao, ary mbola marina ihany izany amin’izao andro izao. Azo ravana ve anefa ny tantara, miaraka amin’ireo fijalian’olombelona rehetra eo aminy? Romana 8:22.
ILAY bokikely 32 pejy misy sary miloko, mitondra ny lohateny hoe Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? dia mandinika io fanontaniana io. ‘Andriamanitra dia hanonitra ny fijaliana nety ho niaretantsika teo amin’izao tontolo izao’, hoy ny voalazany. ‘Amim-pamindram-po lehibe, Andriamanitra dia hanonitra lavitra ny lasa ratsy izay nampiharina tamintsika.’
Ilay bokikely koa dia manome porofo mampiaiky fa miandry antsika ny hoavy iray mamirapiratra. Rehefa avy namaky io bokikely io ny tovovavy kanadianina iray 20 taona, dia nanoratra toy izao: “Tsy haiko lazaina amin’ny teny hoe hatraiza io bokikely io no nanohina ny foko! Vatosoa sarobidy marina tokoa izy io. Mampahatsiahy antsika momba ny fanantenana kanto tahirizin’Andriamanitra ho antsika izy io. Tsapako fa nosoratana tamim-pitiavana ilay fizarana hoe ‘Ny Fandravana ny Lasa’. Misaotra anareo nampahatsiahy anay ny halehiben’ny fitiavan’i Jehovah antsika.”
Raha tianao ny hahazo io bokikely io, na tianao ny hitsidihana anao any an-tokantranonao mba handinihana io fanontaniana io, dia manorata, aza fady, amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, 101 Antananarivo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5.