“Ta Hahafantatra Bebe Kokoa Aho”
NANORATRA io voalaza etsy ambony io ho an’ny mpamoaka itỳ gazety itỳ ny lehilahy iray any Colorado, Etazonia, tamin’ny Desambra lasa teo. Nanazava toy izao izy:
“Na dia tsy hihevitra ahy ho mpivavaka araka ny fari-pitsipiky ny ankamaroan’ny olona aza ianareo, dia nino foana aho fa eo amin’ny fiainana, dia tsy maintsy misy zavatra bebe kokoa noho izay hitantsika sy rentsika eo amin’ny fisiantsika isan’andro. Nanana adidy ara-panahy foana aho, na dia tsy tamin’ny fivavahana iray manokana aza.
“Vao haingana anefa, dia tao anatin’ny tarehin-javatra somary nampahory ihany aho ary hitako fa tsy nanana ilay tanjaka anaty mba hiezahana handresy aho. Ireo zava-nanahirana tato an-trano sy tany am-piasana dia nampitombo aoka izany ny habetsahan’ny fanahiako ka mbola tsy nandalo zavatra toy izany aho teo aloha. (...)
“Hafahafa ihany fa, rehefa teo amin’ny fara tampon’ny fahakiviako aho, dia sendra nahita ireo bokinareo teny amin’ny faritra iray be magazay. Mamelombelona ny fiheveranareo mikasika ilay Ray Masina, ary ta hahafantatra bebe kokoa aho, kanefa tsy mahazo antoka aho hoe aiza no mety hahazoana fanazavana.
“Hankasitrahako tokoa izay mety ho fitarihana azonareo omena ahy mba hahafantarana bebe kokoa momba ny Vavolombelon’i Jehovah sy ireo zavatra inoanareo. Araka ny voalazako, dia hitako fa hafahafa ny sendra nahitako iray tamin’ireo bokinareo teo amin’ny fara tampon’ny fahakiviako — mety ho famantarana fitarihana avy amin’Andriamanitra izany.”
Nandefasana boky iray izay mampiseho ireo zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah miorina amin’ny Baiboly, io lehilahy io. Azonao Atao ny Hiaina Mandrakizay ao Amin’ny Paradisa eto An-tany no lohatenin’ilay boky. Raha maniry hahazo iray amin’io boky mifono baoritra 256 pejy io ianao, na maniry ny hahazo fampianarana ny Baiboly any an-tokantrano maimaim-poana, dia manorata aza fady any amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, 101 Antananarivo, na any amin’ny adiresy mifanentana voatanisa ao amin’ny pejy faha-5.