‘Mitondra Fampiononana ny Fahafantarana fa Misy Olona Miahy ny Tena’
Misy olona toa tsy maninon-tsy maninona, kanefa mahatsiaro ho ory aoka izany izy ireo. Inona no afaka manampy azy ireo? Zava-dehibe ny fanehoana fiahiana sy fahatakarana ny toerana misy azy. Tamin’ny herintaona, dia nanoratra toy izao ho an’ny Fikambanana Watch Tower any Brooklyn, any New York, ny olona iray:
“Vao avy namaky ilay taratasy mivalona hoe Fampiononana ho An’ireo Ketraka aho. Voan’ny fahaketrahana miverimberina ateraky ny tsy fifandanjana simika aho. Tena mitondra fampiononana ilay taratasy mivalona.
“Mitondra fampiononana ny fahalalana fa misy fanantenana ny amin’ny fahaketrahana ary koa fa misy fomba hizakana azy io. Mitondra fampiononana koa ny fahafantarana fa misy olona miahy sy mahatakatra ny toerana misy ireo olona tahaka ahy izay voan’ny fahaketrahana.”
Io taratasy mivalona io dia milaza zavatra be dia be ao anatin’ny toerana kely. Raha tianao ny hahazo iray aminy, na raha tianao ny hahazo fanazavana bebe kokoa, dia manorata any amin’ny Fikambanan’ny Mpianatra ny Baiboly eto Madagasikara, B.P. 511, 101 Antananarivo, na any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-5.
[Sary, pejy 32]
Fampiononana ho an’ireo Ketraka