FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g93 8/4 p. 14
  • Moa ve Ianao Ray na Reny Be Fitiavana?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Moa ve Ianao Ray na Reny Be Fitiavana?
  • Mifohaza!—1993
  • Mitovitovy Aminy
  • Ry Ray Aman-dreny, Tezao Amim-pitiavana ny Zanakareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2007
  • Ry Ray Aman-dreny, Ampio ho Tia An’i Jehovah ny Zanakareo
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2022
  • Olana Maro Atrehin’ny Ray na Reny Tokan-tena
    Mifohaza!—2002
  • Lova Sarobidy ny Zanatsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2005
Hijery Hafa
Mifohaza!—1993
g93 8/4 p. 14

Moa ve Ianao Ray na Reny Be Fitiavana?

TIA ireo zanakao ve ianao? Mirehareha noho izy ireo ve ianao? Moa ve ianao mihevitra azy tsirairay ho olona miavaka tsy manam-pitoviana amin’ny hafa, tokana, tsy azo soloana? Mihevitra toy izany ny ankamaroan’ny ray aman-dreny. Nefa, moa ve ianao milaza amin’ny zanakao fa toy izany tokoa no tsapanao momba azy? Midera azy ireny amin’ny fomba voafaritra ve ianao rehefa manao zavatra tsara izy ireo? Ary mampiseho ny fitiavanao azy ireo amin’ny fomba hafa ve ianao — amin’ny lalao amim-pisakaizana, amin’ny safosafo manome toky, amin’ny famihinana amim-pitiavana azy eo an-tratra?

“Tsy mahazatra ahy anefa izany”, hoy angamba ny havalin’ny sasany. “Tsy mba karazan’ireo izay mamoaka ny fihetseham-pony tahaka izany aho.” Marina fa tsy hoe toetran’ny olona rehetra ny mampiseho ny fihetseham-pony tahaka izany. Kanefa, mety ho tena lehibe noho ny mety hiheveranao azy ny fanehoana fitiavana ny zanaka.

Vao haingana izay, dia nisy antokona mpahay siansa nanohy ny fandinihana iray tamin’ny 1951, izay natao tamin’ankizy 400 nandeha tany amin’ny akanin-jaza. Teo amin’ireo lehilahy sy vehivavy 94 azony nanohizana ilay fandinihana, dia nahita ohatra sasany nisy lanjany sady nahitam-bokatra izy ireo. Araka ny The New York Times, ireo ankizy nanana ray aman-dreny be fitiavana dia nirona hahita fahombiazana tsara kokoa teo amin’ny fiainany tamin’ny naha-olon-dehibe. Tamin’ny fotony dia nanana fanambadiana nahomby izy ireo, nitaiza zanaka, afa-po tamin’ny asany, ary nitana fisakaizana akaiky. Nanambara tamin’ilay gazety ny Dr. Carol Franz izay nitarika ilay fandinihana, fa “nampiseho fiadanana ara-tsaina, fahatsapana fifaliana sy fahafaham-po tamin’ny tenany sy tamin’ny fiainany” izy ireo.

Nifanohitra tamin’izany, dia nahita i Franz fa “ireo izay nanana ray aman-dreny nangatsiaka sy tsy nihaino azy dia nahita fotoan-tsarotra tamin’ny fiainany tatỳ aoriana, teo amin’ny lafiny rehetra — asa, fanitsiana ara-tsosialy, ary fiadanana ara-tsaina”. Raha ny marina, dia nanipy hevitra ilay fandinihana fa ny tsy fahampiam-pitiavana avy amin’ny ray aman-dreny dia mety hanimba kokoa ny ankizy maharitra ela aza, noho ny fisarahan’ny ray aman-dreniny, ny fidorohana zava-pisotro misy alkaola, na ny fahantrana.

Tsy tokony hahagaga ireo mpianatra tso-po ny Baiboly izany. Mahafantatra tsara ny fomba nitondran’i Jesosy ny ankizy izy ireo. Nihevitra azy ireny ho sarobidy izy sy nitarika azy ireny hanatona azy, ary nampiseho tamin’izy ireny ny fitiavany azy. (Marka 10:13-16; Lioka 9:46-48; 18:15-17). Mazava ho azy fa tsy nanao afa-tsy ny nanahaka ny Rainy any an-danitra — Ilay tonga Rain’ny kamboty — izy tamin’io lafiny io. (Salamo 68:5). I Jehovah no ilay Ray tanteraka; soa ihany ho an’ireo izay tia azy, fa afaka mameno izay tsy ampy rehetra amin’ny ray aman-dreny olombelona tsy lavorary izy. — 2 Korintiana 6:18.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara