Ny Faniriako Miredareda Hanompo An’Andriamanitra
Dimy taona aho ary fantatra ho toy ilay mpampihorohoro tao an-tokotany filalaovana. Natao ho an’ny jamba ny Sekoly Perkins izay nandehanako.
Handany ireo 13 taona nanaraka tamin’ny fiainako tao amin’io sekoly tao Watertown, any Massachussetts, Etazonia, io aho. Fantatro tsara fa jamba ny ankizy hafa rehetra tao amin’ilay sekoly, nefa nihevitra aho fa izaho dia afaka nahita. Tsy nitondra ahy velively tamin’ny fomba niavaka tamin’ireo rahavaviko dimy ny ray aman-dreniko. Izay zavatra rehetra nataony dia nataoko — raharaha ao an-tokantrano, patin à roulettes, lomano, fianihana hazo, ny zavatra rehetra e. Tsy nentina toy ny jamba aho, noho izany dia tsy nihevitra ny tenako ho jamba velively.
Nisy tsirony tamiko ny fiainana, tia nanandrana zavatra nanaitaitra aho, ary liana tamin’ny kilalao. Izaho no nitaona ny ankizy hafa tamin’ny fikorisana, ny fisaviliana, ny sambo misavily. Nahilangilako mafy erỳ izany ka nikiakiaka ny ankizy, nefa nihira mafy araka izay azoko natao aho sady niantsoantso mba hampilalaovana azy ireo. Heveriko fa tafahoatra ny nataoko, satria naneno ny lakolosy sady niantso ahy hiditra ilay ramatoa tompon’andraikitra, ary voakapoka tamin’ny vohon’ny borosim-bolo aho; ankoatra izany, dia nasaina nipetraka teo amin’ny seza ho an’ny ankizy naditra aho. Teo akaikin’ny tohatra nandalovan’ny mpampianatra rehetra no nametrahana azy io. Nahita ahy teo izy ireo ka nihomehy anakampo ary nanontany hoe: “Eto indray angaha ianao?”
Mamelà ahy hiverina kely sy hanazava ny fomba nahatonga ahy tato amin’ity sekoly ho an’ny jamba ity. Teraka tamin’ny taona 1941 aho, ary roa taona aho rehefa nilazana ny ray aman-dreniko fa nisy tumeur teo amin’ny fitati-pijery (nerf optique) tamin’ny masoko iray. Voatery nesorina ilay maso. Nandritra ny fandidiana, dia hita fa efa niely tamin’ny fitati-pijery tamin’ilay maso ilany ilay tumeur ary nitombo nananika ny atidoha. Nidika ho fanesorana ny masoko roa izany raha tsy izany dia ho famelana ahy ho faty. Tamin’izany fotoana izany, tamin’ny 1943, ny hajambana dia noheverina ho ratsy kokoa noho ny fahafatesana. Nilaza ny lehilahy iray manam-pahaizana momba ny maso hoe: “Raha zanako io, dia naleoko izy maty.” Tsy nitovy hevitra tamin’izany ny manam-pahaizana hafa iray. “Tsia, avelao izy ho velona.” Soa ihany ho ahy, fa naleon’ny ray aman-dreniko aho velona. Telo taona tatỳ aoriana, dia ilay mpampihorohoro tao an-tokotany filalaovana aho.
Nahazo fampianarana ara-pivavahana araka izay nofidiny ny ankizy tsirairay. Koa satria Katolika ny reniko, dia nampianarin’ireo masera avy tamin’ny couvent teo akaiky teo isan-kerinandro aho. Nitantara tamiko ny tantaran’ireo “olo-masina” izay nanokana ny fiainany ho an’Andriamanitra izy ireo, ary mbola kely mihitsy aho dia narehitry ny faniriana niredareda ho tonga tahaka ireo “olo-masina”. Naniry hanokana ny fiainako manontolo ho an’Andriamanitra aho, nefa nilaza tamiko ireo masera fa tsy nisy fanantenana ho ahy mihitsy. “Ratsy fanahy loatra ianao”, hoy izy ireo. “Tsy hila anao Andriamanitra!” Izany dia noho izaho nilalao tamin’ankizy protestanta sy jiosy, kanefa izy ireo nilaza taminay mba tsy hilalao afa-tsy tamin’ireo Katolika ihany.
Fanampin’izany, dia nampahatezitra ireo masera aho tamin’ny fanontaniako azy ireo momba ny anaran’i Jehovah. Tamin’izany fotoana izany, dia nianatra tsindraindray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny reniko, ary rehefa nody tany an-trano aho indray mandeha isam-bolana tamin’ny faran’ny herinandro, dia reko fa Jehovah, hono, no anaran’Andriamanitra. Rehefa nanontany ireo masera aho hoe nahoana izy ireo no tsy nampianatra anay momba an’i Jehovah, dia nanjary nisafoaka izy ireo ka nasainy nivoaka avy tao an-dakilasy aho. Angamba aho tsy maintsy ho nandany ny antsasak’ireo taona fahazazako nijoroana teny ivelan’ny lakilasy na nipetrahana teo amin’ny seza ho an’ny ankizy naditra.
Koa satria vehivavy katolika tsara ny reniko, tamin’ny fomba ahoana no nahatonga azy hianatra tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah? Taorian’ny nandidiana ahy, dia tonga namangy azy ny pretra ary nilaza fa tsy maintsy ho nanao zava-dratsy nahatsiravina nampahatezitra an’Andriamanitra izy, ka nahatonga ny fahajambako. Tsy nampionona azy tamin’izany fotoan-tsarotra nitondra alahelo izany ilay pretra, fa nanao izay hahatsiarovany ho diso kosa. Ary ambonin’izany, dia Andriamanitra no nomeny tsiny tamin’ny naha-jamba ahy. Izay nolazain’io pretra io dia nahatonga ny varavarana hivoha nidanadana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah, rehefa ho tonga handondòna tao aminy izy ireo — ary nataon’izy ireo tsy ela tokoa izany.
Nilaza tamin’ny reniko ny vaovao tsara mahatalanjona ny amin’ilay Fanjakana izy ireo ary nohazavainy fa tsy mpampijaly Andriamanitra fa Andriamanitra fitiavana kosa. Noho izany, dia nanomboka nianatra tamin’ny Vavolombelona ny reniko. Kanefa, ela izy vao nanolo-tena mba hanompo an’i Jehovah. Ireo fampianaran-dison’ny Fivavahana katolika dia namaka lalina tao aminy. Ireo fahamarinana ao amin’ny Baiboly nianarany anefa dia “mahery amin’Andriamanitra mba handrava fiarovana mafy”, ka tamin’ny 1954 dia natao batisa ny reniko tamin’ny naha-iray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah. — 2 Korintiana 10:4.
Ankehitriny, rehefa nody tany an-trano aho, tamin’ny fitsidihana fanaoko isam-bolana tamin’ny faran’ny herinandro, dia nirin’ny raiko ny handehananay tany amin’ny Fiangonana batista, ny sasany tamin’ireo rahavaviko nandeha tany amin’ny Fiangonana metodista, ny reniko nitondra ahy tany amin’ny Efitrano Fanjakana, ary tany an-tsekoly dia ny Fivavahana katolika no nohamafisina. Fivavahana efatra samy hafa niaraka, tao amin’ny fianakaviana iray! Noho izany, dia very hevitra tanteraka aho raha ny amin’ny hoe inona no fomba tsara hanompoana an’Andriamanitra.
Rehefa teo amin’ny 16 taona teo aho, dia nanomboka nitombo mafy tsy nisy toy izany tato anatiko, io faniriana mikiky sy miredareda hanompo amin’ny fomba tsara an’Andriamanitra io. Nivavaka tamin’i Jehovah aho, fa rehefa hanambady, dia mba ho lehilahy izay efa nanana ny fivavahana marina, na inona na inona izany, ilay ho vadiko. Koa tonga ny andro izay nahatongavan’io lehilahy izay toa nahatalanjona io ary naniry haka vady ahy izy. Koa satria Katolika izy, sady toa Andriamanitra no naniraka azy hankatỳ amiko ho valin’ny vavaka nataoko, dia nanatsoaka hevitra aho fa ny Fivavahana katolika no tsy maintsy ho ny fivavahana marina. Nanapa-kevitra aho fa hanomboka hatreo dia ho vehivavy katolika sy vady ary reny tsara.
Mampalahelo fa tsy fahombiazana tanteraka no niafaran’ny fanambadiako. Teo amin’ny 10 volana teo, dia notahina izahay tamin’ny niterahanay vavy kely iray, ary 22 volana taorian’izany dia nahazo zazalahy iray indray, nefa nandritra izany fotoana rehetra izany dia niharatsy ny fanambadianay. Nino aho fa tsy afaka ny hiharatsy kokoa noho izao ny zavatra.
Diso hevitra aho; niharatsy ny toe-javatra. Fombanay ny nandeha nandihy isaky ny asabotsy alina, ary nanaraka izany dia nandeha nankany an-tranonay ny antokon’olona mba hisotro kafe sy handray sakafo maivana. Fa tamin’ity asabotsy manokana ity, dia nandeha tany amin’ny tranon’ny lehilahy iray namanay izahay. Tamin’izahay tany no sendra nahare ny vadiko aho, niresaka ny amin’ny fikasana hifanolo vady mba hananana firaisan’ny lahy sy ny vavy. Nisy olona iray tsy fantatro teo, ka nanontany izy io hoe iza no halainy, ary reko ny vadiko namaly hoe: “Azonao alaina ny vadiko.” Tsiravina aho, toran-kovitra, ka nandositra nivoaka izany trano izany. Vao mangiran-dratsy, dia nizaka ny vokatry ny fandehanako aho. Rehefa nody tao an-trano ny vadiko, dia nikapoka ahy mafy izy. Ny antony, dia satria, hoy izy ‘nanao izay hiheverana azy ho olona ketrina’ aho.
Ny alahady naninjitra dia nitalaho tamin’i Jehovah aho mba hampisehoany tamiko hoe inona no fivavahana marina, raha nisy izany, ny fomba tsara hanompoana azy. Raha tsy izany, dia aleoko maty. Ny hany nitana ahy tsy hamono tena dia ny zanako kely roa. Iza no hikarakara azy ireo raha maty aho?
Ny ampitson’io, dia nivoaka tsy nikiraro teny alatrano aho mba hanapaka ny bozaka — ny tsy fikiraroana dia nanampy ahy hahafantatra hoe aiza ny ahitra no lava ka nila notapahina. Nisy Vavolombelon’i Jehovah roa, lehilahy sy vehivavy, tonga mba hitsidika. Tsy hohadinoiko mihitsy ny fomba sy ny fiteny malemy paika nananan’ilay rangahy, ary nanana zavatra vita an-tsoratra navoakan’ny Fikambanana Watch Tower vita tamin’ny braille izy. Nomeny ahy izany, sady nanontany izy raha azon’izy ireo atao ny hiverina ny herinandro nanaraka. Tsy dia tena niomana tamin’izany aho, nefa samy nampiseho hafanam-po sy fisakaizana erỳ izy ireo ka tsy afa-nanda aho. Tadidiko aho niditra tany an-trano sady nisaintsaina hoe: “Tsia, ry Andriamanitra ô! Tsy ry zareo, tsy ny Vavolombelon’i Jehovah! Tsy mety ho fivavahana hafa sasany ve?”
Niverina tokoa izy ireo, ary nanana fianarana Baiboly isan-kerinandro izahay. Tatỳ aoriana, dia vehivavy roa, i Judy sy i Penny, no nanomboka tonga. Mpitory manontolo andro izy roa vavy (antsoina hoe mpisava lalana manokana) ary fitahiana lehibe avy tamin’i Jehovah izany. I Judy dia nahery fihetsika sy sariaka nefa tia nianatra sady tena kinga tamin’ny fahitana ireo andinin-teny tao amin’ny Baiboly. Nipetrapetraka kokoa i Penny nefa sarotiny tamin’ny fifehezana kosa, ka izany dia nilaiko. Nanokana ny fiainany manontolo tamin’ny fanompoana an’i Jehovah izy roa vavy, ary tamin’ny farany dia naniry ho tonga tahaka azy ireo koa aho, fa tsy ho tahaka ireo “olo-masina” noresahin’ireo masera tamiko.
Tatỳ aoriana, rehefa niresaka tamiko ny amin’ny fandehanana mitory isan-trano toy ny nataony izy roa vavy, dia nieritreritra toy izao aho: ‘Tsia, tsy afaka ny hanantena ahy hanao izany ianareo! Jamba ange aho e!’ Talohan’izao dia mbola tsy nampiasa mihitsy ny fahajambako ho fialan-tsiny aho, nefa tamin’ity indray mandeha ity dia nieritreritra aho hoe: ‘Tsia, tsy izaho. Tsy handeha amin’ny fitoriana isan-trano aho.’ Noho izany, dia nilaza aho hoe: “Ahoana no hahafahako hamaky andinin-teny eny am-baravarana?” Namaly toy izao i Penny tsy taitra: “Afaka mitadidy andinin-teny ianao, sa tsy izany?” Fantany fa afaka nanao izany aho, satria isan-kerinandro dia nasain’izy roa vavy nianatra andinin-teny roa vaovao aho. Tsy afa-nanao na inona na inona mba hialana tamin’izy roa vavy ireo aho!
Rehefa roa taona no nianarako, dia tapa-kevitra aho ny hanatrika ny Fahatsiarovana ny nahafatesan’i Kristy tamin’ny 1968. Nivavaka aho talohan’ny nilazako izany tamin’ny vadiko. Fantatro fa hanohitra mafy izy, ary izany tokoa no nataony. Nikiakiaka izy fa naleony nahita ahy maty toy izay hahita ahy ho Vavolombelon’i Jehovah. Naka antsy izy ka nihazona izany teo amin’ny tendako. “Lazao amiko fa tsy handeha any ianao dia tsy hamono anao aho!” Nivavaka mangina tamin’i Jehovah aho hoe: ‘Ampio aho mba hitoetra ho mahatoky na dia tsy maintsy ho faty aza.’ Gaga aho fa nahatsapa fahatoniana anaty tampoka ary nahita ny tenako nieritreritra toy izao: ‘Inona moa no mahatsara ny fiainana raha tsy hanompo an’i Jehovah?’ Tamiko dia toa mandrakizay ny fandehan’ny fotoana, nefa tamin’ny farany dia natsipiny tamin’ny tany ilay antsy. “Tsy afaka mamono anao aho”, hoy izy nitaraina. “Ho tiako ny hanao izany, nefa tsy afaka manao izany fotsiny aho. Tsy fantatro hoe nahoana.”
Nandritra ny fankalazana ny Fahatsiarovana dia nanenika ahy indray ny fahatsapana fiadanana sy ny hoe akaiky an’i Jehovah. Rehefa nody tany an-trano aho, dia nihidy ny varavarana, ary teo an-tokonam-baravarana ny entako. Nandany ny alina tany amin’ny ray aman-dreniko àry aho. Hatramin’io fotoana io dia nitohy ny fandrahonana ahy tamin’ny antsy teo amin’ny tenda sy ny fikapohana. Matetika aho dia voahidy any alatrano rehefa avy any amin’ny fivoriana. Nilaza toy izao ny vadiko: “Raha mandeha manompo an’i Jehovah ianao, dia avelao izy hikarakara anao.” Tsy nety nandoa ny faktiora intsony izy. Lany ny sakafo, notapahina ny gaza sy ny elektrisite, tsy afaka nitazona ny trano izahay. Nefa teo foana i Jehovah nanohana anay sy ny ankizy.
Tamin’ny Jolay 1969, dia nisy fivoriamben’ny distrika lehibe nataon’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’ny tanànan’i New York. Adiny iray talohan’ny nandehanako tany handray fiarandalamby, dia nanenjika ka nahatratra ahy ny vadiko, nanao ny fandrahonany nahazatra, ary nitana indray ny antsy teo amin’ny tendako. Nefa, efa nahazatra ahy izany ka tsy nisalasala na oviana na oviana aho. Tamin’io fivoriambe tamin’ny 11 Jolay 1969 io, dia nampiseho ampahibemaso ny fanoloran-tenako tamin’i Jehovah aho. Niaraka tamin’ny mpanatrika 3 000 hafa tao amin’ilay fivoriambe, dia natao batisa tao anatin’ny oseana aho.
Fara fahakeliny indroa isan-taona, dia nandany 75 ora isam-bolana tamin’ny fitoriana aho, na dia nandrara ahy tsy hivoaka aza ny vadiko. Fantatro fa baikon’i Kristy Jesosy ny fandehanana mitory, ary tsy maintsy nankatò azy aho. (Matio 24:14; 28:19, 20). Niasa mafy foana anefa aho tao an-tokantrano. Nataoko madio hatrany ny trano. Nataoko vonona ara-potoana ny sakafony. Rehefa amin’ny alina ny fivoriana, dia nanamboatra ny sakafo nankafiziny aho. Rehefa nody aho, dia nanomana tsindrin-tsakafo manokana ho azy. Na dia tamin’izany aza, dia mbola nila ady ihany izy. Sarotra anefa ny mikiakiaka hatrany amin’ny olona iray raha rosoany ny tsindrin-tsakafo ankafizinao indrindra ianao!
Tamin’ny 1975, dia nanapa-kevitra ny vadiko fa hifindra any Kalifornia ny fianakaviana. Tamin’ny Novambra 1976, taorian’ny 17 taona, dia nifarana ny fanambadianay. Tsy faniriako velively ny hisara-panambadiana. Tsy nino velively aho fa tsara ny fisaraham-panambadiana. Ao amin’ny Malakia 2:16, dia nilaza i Jehovah fa ‘halany ny fisaoram-bady’. Fanandraman-javatra nampikorontan-tsaina lalina izany. Nanampy ny alaheloko, dia nijanona niaraka tamin’ny rainy tany Kalifornia ireo zanako. Niverina tany amin’ny faritra atsinanana, nisy ahy tany aloha aho.
Ny ray aman-dreniko, izay nitaiza sy nanolokolo ahy tamin-kafanam-po sy tamim-pitiavana, dia nipetraka tany. (Efa maty ny raiko tamin’io, fa mbola velona kosa ny reniko, izay efa maherin’ny 80 taona ary Vavolombelona mahatoky efa ho 40 taona.) Niaina tsy nisy fanampian’ny olon-kafa aho, kanefa, dia nanome izay rehetra nilaiko i Jehovah: trano ipetrahana, hanina, fitafiana, vola, asa rehefa nilaiko izany, ary sakaiza tia, izay tena nanohana ahy sady mbola manao izany. Sakaizako iray efa hatramin’ny ela i Judy Cole, ka na dia mipetraka lavitra ny misy ahy aza izy ankehitriny, dia miantso ahy an-telefaonina matetika, mamaky amiko lahatsoratra ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana, ary mampahery ahy. Tena ny namako tsara indrindra izy — faharoa ihany, mazava ho azy, aorian’i Jehovah, ka ny fisakaizany dia sarobidy amiko nihoatra noho ny fifandraisana hafa rehetra nety ho nananako!
Tamin’ny 1 Oktobra 1986, tamin’ny 11 ora alina, dia niantso ahy avy tany San Diego, any Kalifornia, ny zanako vavy Linda. Nilaza tamiko izy fa i Stephen zanako lahy, izay 23 taona tamin’izany fotoana izany, dia naiditra hopitaly tao amin’ny service de réanimation ary tsy antenaina ho velona. Nandeha moto tamin’ny lalana miolakolaka tany an-tendrombohitra izy, ka nidona tamin’ny hazo iray, nitsipika tao amin’ny hantsana 45 metatra, ary niafara tao amin’ny lozoka (canyon) terỳ ambany. Trano iray monja no teo amin’ny manodidina. Tamin’ny roa maraina tamin’izay, nefa soa ihany fa mbola niari-tory nianatra ilay lehilahy nipetraka tao. Nahare ny tabataba izy, nivoaka, nahita izay nitranga, ary niantso tsy nisy hataka andro an’ireo mpamonjy voina.
Tsy nahatsiaro tena i Stephen, tapaka ny ranjony roa, torotoro ny ampelandohaliny, ary nivonto ny lohany. Rehefa tonga tany aho, dia nilaza tamiko ny dokotera fa tsy nihevitra izy ireo fa ho velona izy. Tao anatin’ny tsy fahatsiarovan-tena (coma) izy nandritra ny herinandro. Teo aho rehefa nahatsiaro tena indray izy. “Manao ahoana ry Mama a”, hoy izy. Ireo no teny nahasambatra indrindra reko! Ho velona izy! Nanampy ny fifaliako, dia natao batisa tamin’ny naha-iray tamin’ireo Vavolombelon’i Jehovah i Stephen herintaona tatỳ aoriana, tamin’ny Jolay 1988.
Mampamirapiratra ny fiainako ankehitriny ny fifaliana hafa iray: namoaka zavatra vita an-tsoratra betsaka amin’ny braille ankehitriny ny Fikambanana Watch Tower! Fanomezana kanto dia kanto loatra izany ho ahy! Fony aho niditra tao amin’ny fahamarinana, dia saiky tsy nisy zavatra vita an-tsoratra amin’ny braille. Nefa ankehitriny dia ao ny boky Le Grand Enseignant sy ny hoe Les Jeunes S’interrogent, ary ankehitriny ilay boky vao haingana hoe Ilay Lehilahy Niavaka Indrindra.
Ho famaranana, dia ho tiako ny hilaza fa ny fisedrana rehetra nandalovako dia nampanakaiky kokoa ahy an’i Jehovah. Izany rehetra izany dia tena nanatanjaka ny finoako tokoa. Tsy nahatsapa mihitsy izay atao hoe banga aho noho ny tsy fahitana, satria tsy nahafantatra mihitsy hoe ahoana izany. Afaka nahita tokoa aho hatreo amin’ny faharoa taonako, nefa tsy mahatadidy na inona na inona ny amin’izany. Kanefa, dia iray amin’ireo andinin-teny ankafiziko ny Salamo 145:16 (NW ), manao hoe: “Manokatra ny tanany i Jehovah ka manome fahafaham-po ny fanirian’ny zavamiaina rehetra.” Izay faniriana rehetra tsy mahazo fahafaham-po ankehitriny dia homena fahafaham-po ao amin’ny Paradisa ampanantenainy ho eto an-tany, izay hanavaozany ny zavatra rehetra. (Apokalypsy 21:3-5). Na dia ny fahitana aza dia homena ho ahy, araka ny nampahatsiahivin’ny vehivavy Vavolombelona iray tamiko.
Ny hafaliana mameno ny foko ankehitriny dia ny fahatsinjovana ny fahatanterahan’ny faniriako miredareda hanompo an’i Jehovah mandrakizay! — Notantarain’i Collette Nunes.
[Teny notsongaina, pejy 19]
“Raha zanako io, dia naleoko izy maty”
[Teny notsongaina, pejy 19]
“Ratsy fanahy loatra ianao”, hoy izy ireo. “Tsy hila anao Andriamanitra!”
[Teny notsongaina, pejy 20]
Nanome tsiny an’Andriamanitra tamin’ny naha-jamba ahy ilay pretra
[Teny notsongaina, pejy 20]
Sendra nahare ny vadiko aho niresaka ny amin’ny fikasana hifanolo vady mba hananana firaisan’ny lahy sy ny vavy
[Teny notsongaina, pejy 21]
Naka antsy izy ka nihazona izany teo amin’ny tendako. “Lazao amiko fa tsy handeha any ianao dia tsy hamono anao aho!”
[Sary, pejy 17]
Collette miaraka amin’ilay alika mpitari-dalana azy
[Sary, pejy 18]
Collette fony izy 17 taona ary fony izy 2 taona (tamin’izy mbola afaka nahita)