Hafatra mety amin’ny andro ankehitriny
Ny Tilikambo Fiambenana dia mirakitra hafatra mety amin’ny andro ankehitriny, araka ny nomarihin’ny vehivavy iray vao haingana, mpamaky io gazety io izay naniry hanao famandrihana amin’izy io. “Mamaky ny gazetinareo amim-pahalianana lehibe aho, hoy ny nosoratany. Nandritra ny fotoam-pialan-tsasatro, dia naka fotoana mba handinihina ireo andinin-teny ao amin’ny Baiboly tononina ao amin’ny lahatsoratra samy hafa aho.
“Gaga hatrany aho amin’ny fanazavana omen’ny gazetinareo ny amin’ireo fisehoan-javatra amin’ny andro ankehitriny. Tsy ho voalaza mihitsy ny hasarobidin’ireo zavatra vita an-tsoratra avoakanareo ho an’ izay rehetra maniry hahatakatra tsara ny Baiboly. Noho ny gazetinareo no namoahako indray ilay Baiboliko tonta mba hijereko ilay Boky tsara indrindra. Miandry amim-pahadodonana ireo nomerao tsirairay avy aho.”
Irinao ve ny hahazo Ny Tilikambo Fiambenana any an-tokantranonao? Ho amin’izany dia fenoy tsara aza fady ary alefaso paositra ny tapakila eto ambany.
Iriko ny handefasana ny gazety Ny Tilikambo Fiambenana atỳ an-tokantranoko. Ampiarahiko ny fandraisana anjara an-tsitrapo 11.000 FMG [famandrihana herintaona, par avion]. (Raha mipetraka any ivelan’i Madagasikara ianao, dia manorata any amin’ny iray amin’ireo adiresy ao amin’ny pejy faha-4.)