FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g91 8/7 p. 23
  • Sigara sy fitsipi-pitondrantena

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Sigara sy fitsipi-pitondrantena
  • Mifohaza!—1991
  • Mitovitovy Aminy
  • Aina An-tapitrisany Maro Manjavona Amin’ny Setroka
    Mifohaza!—1995
  • Moa ve ny tany misy anao lasibatra voalohany?
    Mifohaza!—1990
  • Sigara sy fanasivanana
    Mifohaza!—1990
  • Mandefa ny Balaoniny Feno Hevitra Rivotra Ireo Mpiaro ny Sigara
    Mifohaza!—1995
Hijery Hafa
Mifohaza!—1991
g91 8/7 p. 23

Sigara sy fitsipi-pitondrantena

“Ny fikambanana Anglisy B. A. T. [British American Tobacco] any Ouganda tamin’ny 1984 Ltd. dia tsy mihevitra fa ny sigara dia mampidi-doza ho an’ny fahasalamana. ” Io filazana io, nalaina tao amin’ny taratasy iray nalefa ho an’ny ministeran’ny fahasalamana tany Entebbe dia niteraka antsoantsom-pahatezerana tany Grande-Bretagne. Nampangaina ho miangatra sy mampiasa fanao ara-barotra mampiahiahy io Fikambanana io. Nahoana?

Any amin’ireo tany tandrefana, izay mihena hatramin’izao 1 % ny fifohana sigara isan-taona, ireo fampitandreman’ny fitondram-panjakana momba ny lafiny ara-pahasalamana dia tsy maintsy hita eo amin’ireo fonosan-tsigara. Ny fahefana hamoaka lalàna toy izany dia tsy misy any amin’ny ankabeazan’ireo tany eo an-dalam-pandrosoana, ary any amin’izay misy izany, ireo fampitandremana dia mety tsy ho hitan’ireo mpifoka rehefa mividy ny sigarany tsirairay izy ireo fa tsy amin’ny fonosana. Any amin’ireo tany ireo, dia mitombo 2 % ireo fivarotana sigara isan-taona. Kanefa lafiny iray monja amin’ny zava-manahirana izany. Araka ny voalazan’i dokotera Roberto Masironi, mpiandraikitra ny fandaharana momba ny ady atao amin’ny sigara ao amin’ny O. M. S. (Fandaminana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana), ny sigara misy godirao na tara amin’ny ampahany lehibe, “mampidi-doza loatra raha hofohin’[ireo Eoropeana]” , dia aondrana mankany Afrika sy any amin’ireo tany madinika.

Any, ny fanaovana dokambarotra manaitra dia manao fampanehoehoana marika vaovao amin’ny sigara, mahery kokoa ary mora vidy kokoa. Any Zimbabwe, izay latsaka ny 16 taona ny antsasaky ny mponina ary tsy voafetra ny taona ahafahana mividy sigara, dia atahorana ny hahitana ankizy latsaka ao amin’ny fahazarana mifoka sigara. Timothy Stamps, minisitry ny fahasalamana any Zimbabwe, dia nanambara koa ny fanahiany mikasika ny “hafatra feno hafetsena alefa ho an’ireo tovovavy” mba ho fikendrena ny hanandevozan’ny “nicotine” (poizina avy amin’ny sigara), izay fantatra ho ny “zava-mahadomelina haingam-piasa indrindra any amin’ireo tany tandrefana” . Tao amin’ny fivorian’ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny fahasalamana, ny minisitry ny fahasalamana britanika dia nanambara hoe: “Tsy fantatro hoe ahoana no mbola ahafahana miaro an’io fahazarana mahafaty io. ”

Nahoana ireo fandraisana anjara rehetra natao no tsy nisy vokany loatra teo amin’ireo fanaovana dokambarotra niavaka? Misy antony roa tena lehibe amin’izany: Etsy an-daniny, ny fitotongan’ny varotra nitranga tany Eoropa noho ny tsy fananan’ny olona an’arivony maro asa. Etsy an-kilany, dia hanimba ny toekaren’ireo tany mpividy izany. Any Kenya, ohatra, ny fanjakana dia maka 5 % amin’ny vola miditra noho ny hetra samy hafa izay voangona isan-taona amin’ny fivarotana sigara. Ankoatra izany, ireo fikambanana mpivarotra sigara dia mampiasa ny mpanohana ara-bola ny fihetsiketsehana ara-panatanjahan-tena mba hampandrosoana ireo varotra.

Mialoha izany, ireo fikorontanana ara-pahasalaman’ireo tany tandrefana dia efa madiva hahazo an’i Afrika. Raha mbola miady mandrakariva amin’ny tazo sy ny aretina maro mpahazo ny Afrikana, izao izy dia tsy maintsy manokana ny fananany kely mba hitsaboana ny aretina ateraky ny sigara.

Ireo orinasa mpanao sigara dia mitsiriritra amin’izao fotoana izao ny varotra aziatika izay mihevitra ny hampandroso ny fivarotana sigara fara fahakeliny any amin’ny 18 % ao anatin’ireo folo taona ho avy. Manantena izy ireo fa hanokatra ny lalan’ny sigara ho an’ny tany tandrefana i Chine amin’ny farany, satria ny mponina ao aminy dia ahitana 30 % amin’ny mpifoka sigara eo amin’izao tontolo izao. Tao amin’ny gazety Sunday Time any Londres, ilay manam-pahaizana momba ny homamiadana britanika, Richard Peto, dia naminavina fa 50 tapitrisa amin’ireo ankizy sinoa amin’izao fotoana izao no ho fatin’ny aretina mifandray amin’ny sigara.

Ny iray amin’ireo toetra amantarana ny Vavolombelon’i Jehovah — mihoatra ny efatra tapitrisa izy ireo maneran-tany — dia noho izy tsy mifoka. Kanefa, ny maro tamin’izy ireo dia tena mpifoka raindahiny taloha. Nitsahatra tsy nifoka izy ireo rehefa nahafantatra fa io fanao io dia tsy mifanaraka amin’ny finoana kristiana (Matio 22:39; 2 Korintiana 7:1). Raha toa ianao ka maniry marina hanafaka ny tenanao amin’ny fanandevozan’ny sigara, dia mangataha torohevitra amin’izay rehetra mety ho Vavolombelona. Tena ho faly tokoa izy hanampy anao.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara