“Zava-mahadomelina ve? Tsy inona fa fifanekena amin’i Satana!”
Inona no mety ho vokatry ny fampiasana zavatra mahadomelina “ho fialam-boly” eo amin’ny tenan’ny olombelona? Raiso ny ohatr’i Charles. Fony izy 15 taona no nampianarin’ny zokiny vavy hampiasa zavatra mahadomelina. Nandritra ireo 15 taona nanaraka, dia nampiasa “marijuana”, “cocaine”, ary “heroine” tamin’ny endriny isan-karazany izy. Nandany fotoana tany amin’ireo trano fitaizana zaza maditra izy noho ny halatra madinidinika sy ny fandrobana nampiasana fitaovam-piadiana. Nitarika azy ho voan’ny SIDA ny fampiasany zavatra mahadomelina. Ankona izy rehefa nilazana hoe tratran’ny viriosin’ny SIDA, ary nijery tsy afa-nanoatra ny tenany ranjanana sy nofosana teo aloha namoy tsikelikely ny tanjany ka tonga toy ny taolam-potsiny sisa. Vakio ny tantarany mampahonena, ary rehefa avy eo dia manontania tena hoe: ‘Mendrika ny hatao ve izany?’
“MANIMBA vatana mahatalanjona iray ianao. Ary maro be aoka izany ireo zavatra verinao noho ny filalaovanao amin’ny zava-mahadomelina mba hahatsapana fihetseham-po mafy fotsiny. Voalohany, tsy afaka ny hilalao amin’ny zanakao vavy ianao. Tsy afaka milalao baolina miaraka aminy ianao, tsy afaka mihazakazaka miaraka aminy. Tsy afaka ny hahita ilay hany zanako lahy hitombo, hamindra sy ireo zavatra hafa mitovy amin’izany, aho. Tsy afaka mitondra ny vadiko mandihy aho satria tsy afaka mandihy intsony. Ny ankabeazan’ireo fanatanjahan-tena dia tsy azoko atao intsony, satria tsy hoe vahotra fotsiny ny tenako fa miadam-pihetsika toy ny “robot” koa.
“Tsy miasa toy ny fiasany teo aloha intsony ireo tanako. Tsy afaka miharatra na manamboatra ny volombavako na koa manapaka ny voloko toy ny nataoko taloha aho. Tsy afaka miakanjo irery intsony toy ny nataoko taloha aho. Tsy afaka manidy ny bokotry ny lobako akory aza aho. Tsy afaka mampiasa irery ny efitrano fivoahana aho. Indraindray dia tsy afaka na dia ny manala ny volomaso iray avy ao anaty masoko akory aza aho satria tsy miasa ireo rantsantanako. Tsy afaka manao lakozia toy ny nataoko taloha aho. Nesorina tamiko ny asako tamin’ny naha-mpametaka taila sy karipetra noho io viriosy azo tamin’ny zava-mahadomelina io.
“Voatery mikarakara ahy ny rehetra. Toy ny zazakely aho. Tsy miasa toy ny fiasany taloha intsony ny atidohako. Maty arika aho. Ohatra, voatery mieritreritra aho vao mahatadidy ny anaran’ny mpanampy ahy ao an-trano. Na dia mamerimberina ireo zavatra imbetsaka aza ny vadiko, dia hadinoko izy ireny. Ny tena olana, dia miharatsy hatrany ilay izy.
“Manaintaina ny tenako rehetra, tontolon’ny andro sy tontolon’ny alina. Afaka hampitomany na dia ny lehilahy matanjaka indrindra aza ny fanaintainana. Ireo pilina fampitonena omena anao dia mandoaka ny vavoninao, ary dia voan’ny ferim-bavony ianao. Noho izany, dia tsy afaka mihinana izany foana ianao. Mandeha ra sy mandrehoka ra noho ny ferim-bavony ianao. Raha misy ratra kely, dia tsy maintsy mitandrina tsy ho voan’ny otrikaretina aho. Manify dia manify ny hoditro. Tsy afaka mifampitolona sy milalao amin’ny zanako lahy intsony aho.
“Nihevi-tena ho afa-doza aho. Nihevitra aho fa afa-maina tamin’ny filalaovana tamin’ny zava-mahadomelina nataoko nandritra ny dimy ambin’ny folo taona. Kanefa izao aho dia voan’ny SIDA. Tsy fantatro hoe rahoviana aho no ho faty.
“Noho izany, raha misy maniry ny hanakalo an’i Jehovah amin’izany, aoka izy hahafantatra tsara. Zava-mahadomelina ve? Tsy inona fa fifanekena amin’i Satana, satria izany no fitaovana ampiasainy!”
Taorian’ny nianarany ny fahamarinana ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, dia niala tamin’ny fahazarana nampiasa zava-mahadomelina i Charles ary tonga Vavolombelon’i Jehovah vita batisa. Nandritra ny fotoana naha-teny amin’ny hôpitaly azy, dia tsy nitsahatra nitory tamin’ireo mpitsabo, ireo mpanampy ny mpitsabo, ary ireo marary namany izy. Telo taona sy tapany taorian’ny batisany anefa, dia maty i Charles, tamin’ny 27 Janoary 1990, teo amin’ny faha-37 taonany.