Pejy Faharoa
Ny fahasahiranana ateraky ny fako araka ny fahitan’ireo mpitondra, sy ireo mpiaro ny tontolo iainana, ary ireo vahoaka feno fanahiana azy, dia zava-manahirana tsy mitsaha-mitombo izay tsy azo odian-tsy hita. Nantsoina hoe “ny fahasahiranan’ireo taona 90” izy io. Ireo gazety dia manokana laharan-tsoratra maro be mba hampitandremana ny amin’io toe-javatra mahatahotra maneran-tany io. “Voalevim-belona”, hoy ny lohatenin’ny fonom-pejin’ny gazetiboky Newsweek. “Ny fihandronan’ireo fako: Zava-manahirana momba ny tontolo iainana tonga hatreo an-tokonam-baravarantsika”, hoy ny filazan’ilay gazetiboky. “Fako an-taonina maro nefa tsy misy toerana hasiana azy” hoy ny lohatenin’ny lahatsoratra momba ny fako ao amin’ny U.S.News & World Report’s. Nampandre tamin’ny sora-baventy ny gazetiboky Time: “Fako, fako hatraiza hatraiza. Efa tena feno ireo fandevenam-pako, saingy tsy misy vahaolana firy.” “Ireo fakon’ny tandrefana — Enta-mavesatra tsy mitsaha-mitombo ho an’ny tany eo an-dalam-pandrosoana”, hoy ny lohatenin’ny International Herald Tribune any Paris.